Baolina kitra – Cosafa U17 : Resin’i Malawi 3 no ho 1 ny Barea zandriny

Ratsy fiditra! Vokatra ratsy no nanombohan’ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny, ny fifaninanana Cosafa U17, izay tanterahina any Zimbabwe, ny 11-20 septambra. Resin’i Malawi, tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara.

Lavo sahady! Nanao fampisehoana teo anatre­han’ny Barea zandriny mihitsy i Malawi, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Ngomi Mwos Stadium Zimbabwe. Resin-dry zareo, tamin’ny isa mavesatra, 3 no ho 1, ny Malagasy, nandritra ny andro voalohan’ity fifanintsanana Cosafa U17, tanterahina any Zimbabwe, ny 11-20 septambra ity. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, notsindrian-dry zareo malaoita mihitsy ny fihaonana teo amin’ny fidirana faharoa. Tsy nahita fanafihana mihitsy ny Malagasy tamin’
izany. Baolina voadaka teo ivelan’ny faritra tsy azo ivalozana, ka nahadifitra ny mpiandry tsatoby, malagasy, avokoa, no tafiditr’i Malawi, i Joel Maziya, teo amin’ny minitra faha-14 sy i James Lumbe, ny faha -25 min.
Teo amin’ny fidirana faharoa, hita ho nanohitra kely ny Malagasy, rehefa nisy ny fanovana mpilalao. Maro ireo baolina tokony ho tafiditra, saingy tsy nifanitsy tamin’ny haraton-dry zareo Malaoita izany. Mbola nanampy ny isa, ho lasa 3 no ho 0, teny amin’ny solaitra be indray moa i Malawi, ny minitra faha-69, rehefa namono tena indray i Irintsoa, mpiandry harato ma­lagasy. Tany amin’ny minitra farany, 90+4, vao nampihena ny isa ho lasa 3 no ho 1, i William, Malagasy lohalaharana. Farany ao amin’ny vondrona « B », i Madagasikara. Miray sokajy amin’izy ireo ao moa, i Zambia, tompondaka farany, i Afrika Atsimo, ary i Malawi. Ny alahady ho avy izao, hifandona amin’i Afrika Atsimo, ny Barea zandriny. Tsiahivina fa izay telo voalohany amin’ity Cosafa ity no hiatrika ny Can U17 ny taona ho avy io.

Fitia Randria

Namiratra i Francisco na i Dembelé
Niavaka tanteraka teny ambony kianja ny fahaizan’i Francisco na i Dembelé. Tsy tao ana­tin’ireo mpilalao niditra 11 voalohany izy, saingy nampihaiky ny mpijery sy ny mpitantara baolina kitra tany an-toerana ny fahaizany, rehefa nomena sehatra ny lehilahy teo amin’ny fidirana faharoa. Nahavita nanome tolotra tsara ho an’ireo namany izy.

Partager sur: