Handball – “IHF Trophy” : Hiady ho lohany ny Akio

Hanomboka rahampitso, any Oran, Algérie, ny fiadiana ny “IHF Trophy” kaontinantaly, taranja handball, sokajy U17, vehivavy. Anisan’ireo firenena hiady ho lohany amin’ity ny Akion’i Madagasikara. Firenena 11 no hifampitana amin’ity ka ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Angola, Nigeria, Tunisie, Kenya, ary i Benin. Azo lazaina fa eo ho eo ihany ity sokajy misy ny ekipa malagasy ity. Ry zareo Tonizianina no heverina fa mafy noho izy ireo efa manana traikefa amin’ny fihaonana goavana toy izao. Ho an’ny vondrona “B” indray, izay firenena 5 ihany, dia i Algerie mpampiantrano, Egypte, Guinée, Burkina Faso ary i Zambie. Vondrona maozatra ity satria tafaraka ao ireo firenena magrebianina, anisan’ny matanjaka.
Mihaona avokoa ny ekipa rehetra ka tafita amin’ny dingana manasa-dalana ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona. Tafakatra avy hatrany hiatrika ny “Mondial 2026” misolo tena an’i Afrika ihany koa ireo tonga eo amin’ny ankatoky ny famaranana. Mialoha ny niaingany hihazo ny toerana hanatanterahina ity fifaninanana ity, niatrika lalao sedra tamin’ny My-Sah ny Akio ny alarobia lasa teo, ka nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 36 no ho 33.

Tompondaka

Partager sur: