Zandarimariam-pirenena : Hanangana ekipa amin’ny taranja maro

Klioba mitàna ny laharana voalohany eo amin’ny taranja volley-ball ny Zandarimariam-pirenena. Porofon’izany ny nahazoan’ny GNVB ny am­boara rehetra tamin’ny fifaninanana nasionaly, teo amin’ny sokajy U16 sy U20, tamin’ity taona ity. Ankoatra izay misongadina eo amin’ny iraisam-pirenena ihany koa ny GNVB, izay nandrombaka ny amboara nandritra ny RNS 2024 natao tany Frantsa. Tsy ny volley-ball ihany fa mamiratra ihany koa ny Zandarimariam-pirenena amin’ny taranja hafa ka nanapa-kevitra avy hatrany ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Rakotondrazaka Andry, fa hanangana ekipa amin’ny taranja maro, toy ny baolina kitra, athletisma, tsipy kanetibe, Lawn Tennis. Hita taratra manko, nandritra ny fifaninanana Asief farany teo, fa manana olona havanana amin’ireo taranja ireo ny Zandarimariam-pirenena. Hampitomboana ihany koa, hoy izy, ny isan’ny mpandray anjara amin’ny Asief 2026, ho an’ny ekipan’ny Zandari­mariam-pirenena. Ho an’ny taranja basikety, hisy ny fanovana rafitra ho an’ny GNBC mba hahazoana vokatra tsara hatrany amin’ny fifaninanam-pirenena. Tsiahivina fa nisy ihany koa ny fifaninanana mitifitra lavitra , tany Chine, ka ny ekipan’ny Zandary no nahazo ny fandresena. Ho an’ny eto an-toerana kosa, tsara koa ny vokatra tamin’ny “Tournoi FDS”. Nisy ny fanolorana ny amboara rehetra azo, teny Betongolo, ny alakamisy teo. Amboara 29 no azon’ny Zan­darimariam-pirenena hatreto, ho an’ny taona 2025.

Mi.Raz

Partager sur: