SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ny namaly ny antso ka handray anjara amin’ny fifaninanana “Madagascar International BJJ Open 2025”, taranja Jiu-jitsu breziliana, i Angola sy Afrika Atsimo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasy JJB. Fifaninanana hotontosaina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana manasa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Hifandona amin’ny manasa-dalana voalohany, sokajy vehivavy, ny GNBC Analamanga sy ny ASSM Analamanga. Ny MB2ALL Analamanga sy ny JEA Vakinankaratra kosa no hihaona amin’ny manasa-dalana faharoa, eo amin’izay Sokajy vehivavy hatrany.

Hotontosaina anio, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’ Analamanga, taranja karate. Mpikatroka 150, avy
amin’ny seksionina 8 manerana an’Analamanga, no andrasana amin’ity fifaninanana ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Efa vita omaly ny fandanjana sy ny atsapaka ary ny fivoriana ara-teknika, ka hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny fifaninanana, anio.

Partager sur: