Filoha Rajoelina Andry : “Tsy maintsy henjana ny sazy amin’ny fanolanana”

Nahabe adihevitra teto Madagasikara talohaloha teo ny amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ka nanaovana lalàna ny amin’ny famosirana izay tratra sy melohin’ny fitsarana noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona.

Efa saika lasa adihevitra politika aza izany… Ani­san’ny nahatonga ny di­sadisa diplaomatika niafara tamin’ny fandaozan’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina telo aloha iray an’i Madagasikara.
Amin’izao fotoana izao, na­naitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena ilay lehilahy amerikanina avy any Loui­siane, Etazonia, voaheloka higadra mandra-pahafaty sy iharan’ny famosirana noho ny fanolanana zazavavy 7 taona, araka ny teny nampitain’ny fi­lohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny takilan’ny tambajotran-tseraserany, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Manaporofo hatrany izany fa tsy maintsy henjana ny sazy ho an’ny habibiana toy izany, araka ny nambarany. “Tsapako ny fahapotehan’ny fiainana aterak’izany, ka izay indrindra no nametrahako sy niarovako hatramin’ny farany ny lalàn’ny famosirina eto Ma­dagasikara. Amiko, tsy misy sarobidy kokoa noho ny aina sy ny fahadiovan’ny zanatsika”, hoy izy.
Loza ho an’ny fiarahamonina, amin’ny ankapobeny, ny fanolanana zaza tsy manan-tsiny sy tsy voaaro. Ny famosirana no fepetra henjana sy tsy azo ivalozana ahazoana mam­pitsahatra tanteraka io asa ratsy io. Tamin’ny alalan’ny lalàna momba izany no nisafidianan’ny fitondram-panjakana fa manomboka izao dia ireo izay sahy mamotika ny ho­avin’ny zaza malagasy amin’ny alalan’ny herisetra ara-nofo no hiharan’ny sazy faran’ izay henjana. “Tsy hitsahatra hiaro ny zanatsika aho ary hanao ny zava-drehetra hiarovana ny zaza malagasy”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: