Antoko Alfa : “Mila lanjalanjaina ny vava avoaka sy ny fanehoan-kevitra”

“Mamelona lakolosy izahay eto amin’ny antoko Alfa. Satria manahy be ihany ny amin’ny fifampihantsiana sy fi­fandranitana misy etsy sy eroa sy amin’ny haino aman-jery maro samihafa. Mila lanjalanjaina ny vava avoaka sy ny fanehoan-kevitra.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Lay fitiavana an’ny re­hetra (Alfa), Rakotoniaina Mamitiana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Mba tsy hitondra fifandrafiana, fifamotehana… ho any amin’ny fahaverezana lalina indray ny firenena efa latsaka an-katerena. Tsy hitondra soa ho an’ny firenena sy ny va­hoaka ny korontana, ny fidinana an-dalambe, ny fambolena fandrafiana… Mitaky fifanomezan-tanana sy fandraisana andraikitry ny rehetra, indrindra ny mpanao politika izao lalovan’ny firenena izao.
Efa samy mitsinjo ny fifidianana 2028 amin’izao. Na ino­na hita eny amin’ny haino aman-jery sy ny anivon’ny fiarahamonina amin’ny faneho­an-kevitra sy famoriana olona, efa tandindon’ny fifidianana 2028. Mety tsy mahafaly ny sa­­sany izany, fa izay aloha ny zava-misy: kajikajy efa mandeha eny rehetra eny… Mila mi­tandrina amin’ny teny avoaka, mila mandini-tena alohan’ny fanehoan-kevitra. Mba tsy han­detika sy hanimba firenena ny finiavan’ny tena amin’ny fiarovana izay mety ho tombon­tsoa manokana na fitrandrahana izay ho ampitson’ny antokon’ny tena samirery. “Miantso ny rehetra miara-dalana ma­no­hana ny fitondrana ny Alfa: aoka tsy avy amintsika no hi­sian’ny fanehoan-kevitra mifono fandranitana, ka mety ha­nosika ny firenena any amin’ny korontana”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: