Harena ny fahasamihafana. Aty amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina no tena voamarina indrindra izany. Izay mantsy no hasongadina mandritra ny «Angaredona Mozika Festival», nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 13 septambra teo, teny Ambohimanga. Hita taratra sahady, teny am-panombohana, ilay «kolontsaina mampiray firenena», araka ny lohahevitra hovoizina mandritra ity andiany faha-19 ity.
Nosantarina tamin’ny carnaval ny hetsika ka nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo fikambanana samihafa ao amin’ny fokontany 22 mandrafitra ny kaominina Ambohimanga Rova izay mampiantrano ny hetsika. Nanamarika izany carnaval izany ihany koa ny fahaatongavana’ireo Raiamandreny ara-drazana izay nahitana ampanjaka sy tangalamena maromaro avy amin’ny faritany samihafa, avy amin’ireo foko 22. Nanamarika ny fahatongavan’izy ireo ny loko mena marevaka nentin’ireo avy ao amin’ny Tranoben’Imerina izay niandraikitra ny fahtongavan’izy ireo teo Ambohimanga Rova.
Teo amin’ny hetsika ara-javakanto kosa dia hita Taratra ihany koa izay kolontsaina mampiray firenena izay tamin’ ny fandraisan’ireo mpanakato maro avy amin’ny faritany samihafa. Nampiseho ny talentany tamin’ny Jijy Sakalava ny tarika Volazara avy any Katsepy. Toy izany koa ny tarika Akon’i Mania avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Jean Piso sy ny angorodaony avy any amin’ny faritra Atsimo. Ankoatra izay ny kolontsaina Betsimisaraka nahitana an’i José Besaroka (Basesa) sy ny Tarika Kaiamba izay mbola ao amin’ny heriny tsara na dia efa nahazo taona aza ireo mpikambana ary nampifandray tanana ny rehetra tamin’ilay hira « samy Malagasy ».
Zo ny Aina




