Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, sokajy lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ekipan’ny GNBC, vehivavy, sy ny CosPN, lehilahy.
Avo lenta tanteraka ny lalao famaranana nizotra teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly, ho an’ny taranja basikety, sokajy N1A lahy sy vavy. Voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin’ny vehivavy i Sambatra Harimiora, mpilalaon’ny GNBC ary Solondrainy Arnol, mpilalaon’ny CosPN kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Lelavola 4 500 000 Ar avy kosa sy loka avy amin’ny mpanohana toa ny Yas, XXL, sy ny maro hafa no azon’ny tompondaka tamin’ity fifaninanana ity.
Tsy navotsotry ny GNBC, sokajy vehivavy, ny anaram-boninahitra
Voatazon’ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy vehivavy, tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Tsiahivina fa norombahin’izy ireo ny tompondaka ny N1A tamin’ny taona 2024 ary tsy namelany ihany koa tamin’ity indray mitoraka ity. Tany am-piandohan’ny lalao, efa nanana herijika ry Chine sy ny namany, raha toa ka somary natoritory ny ekipan’i Muriel sy ry Christiane, tetsy ankilany. Hita taratra tamin’ny isa teny amin’ny solaitrabe izany, izay nahitana elanelanelana. Isa 76 no ho 53 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-piafaran’ny ampaham-potoana fahefatra farany. Nambaran’ny filohan’ny klioba GNBC, Ravoavy Filamatra Rehareha, fa nanomana mafy ny Zandary, toy ny efa fanao isan-taona. Ny firaisan-tsainan’ny mpilalao teny ambony kianja sy ny fihainoana ny toromariky ny mpanazatra no nahazoana izao vokatra tsara izao, raha ny nambarany.

Tsara fanomanana ny ekipan’ny CosPN
Tsy tongatonga ho azy ny fandresena ho an’ny ekipan’ny CosPN fa nisy ny fanomanana mafy natao, araka ny nambaran’ny filohany, omaly, taorian’ny fandresena azon’izy ireo, nanoloana ny ekipan’ny GNBC teo amin’ny lalao famaranana, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Niady tanteraka ny lalao nandritra ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Nisy fotoana nitovizana ny isa teny amin’ny solaitrabe, fa nifandimbiasana ny famonoam-baolina. Nampitombo ny fifantohana anefa ny CosPN taorian’ny fialana sasatra ka nitombo ihany koa ny herijika. Tsy voatohitry ry Arnol sy ny namany ka tafavoaka ho mpandresy tamin’ny isa 67 no ho 56. Tsiahivina fa laharana fahatelo no nisy ny CosPN tamin’ny taona 2024 ary izao nandrombaka ny amboara izao indray izy ireo tamin’ity taona 2025 ity.
Laharana fahatelo ny ASSM Analamanga
Klioba nivoatra ary nametraka ny anarany tamin’ity fifaninanana nasionaly N1A ity, ny ASSM Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy. Avo lenta ny lalao nasehon’izy ireo hatrany am-piandohana ary tsy kisendrasendra ny nahatongavany eo amin’ny laharana fahatelo. Ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra no nolavoin’ny ASSM teo amin’ny lalao fiadian-toerana fahatelo, ka resin’izy ireo tamin’ny Isa 46 no ho 42. Nanoratra tantara ny klioban’ny ASSM satria izao vao niakatra lampihazo tao anatin’ny taona maro. Dingana tsara ihany koa no vitan’izy ireo satria faharesena iray ihany no azo nandritra ity fifaninanana ity, izay ny JEA Vakinankaratra no naharesy azy ireo tany amin’ny lalao isam-bondrona. Nahavita nanala vela, araka izany, ny ASSM nanoloana ny JEA ka nahazo ny laharana fahatelo. Tetsy ankilany, tsy nihetsika teo amin’ny laharana fahefatra, toy ny tamin’ny taon-dasa, ny JEA Vakinankaratra. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, nafana ny lalao fiadian-toerana fahatelo teo amin’ny ekipan’ny Ascut Atsinanana sy ny Cosfa Analamanga. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa ety dia ety, 71 no ho 69, ny Cosfa.
Nahazo fankasitrahana ny Ankoay U17
Ankoatra ny fifaninanana N1A, nisy ihany koa ny fiarahabana sy fankasitrahana ireo nitondra avo ny voninahi-pirenena tany Seychelles, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja basikety, latsaky ny 17 taona, lehilahy, natao ny 1 hatramin’ny 10 aogositra lasa teo. Voahosotra ho tompondaka ny Ankoay U17, lehilahy, tamin’ity fifaninanana ity ka notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena fankasitrahana. Nambaran’ny minisitra Moustapha Marson Abdulah fa manohana ireo mitondra avo ny voninahi-pirenena ny fitondram-panjakana. Nampirisika ihany koa izy ho an’ireo federasionina tsy mbola nahavita ny fifaninanam-pirenena mba hanatanteraka izany.
Nanatontosa: Miarintsoa.Raz
VOKATRA
Sokajy vehivavy:
-MVP: Sambatra Harimiora n° 8 GNBC
-Révélation: Rafatro Elinah N 4 ASSM
-Meilleure marqueuse: Lalaina Varsity (101isa)
-Laharana voalohany: GNBC Analamanga
-Laharana faha-2 MB2ALL Analamanga
-Laharana faha-3: ASSM Analamanga
-Laharana faha-4: JEA Vakinankaratra
Sokajy lehilahy:
-MVP: Solondrainy Arnol CosPN
-Révélation: Ando N 7 SBC
-Marqueur: Faralahy Ascut (249isa)
-Laharana voalohany: CosPN Analamanga
-Laharana faha-2: GNBC Analamanga
-Laharana faha-3: Cosfa Analamanga
-Laharana faha-4: Ascut Atsinanana




