Tanterahina any Tokyo, Japon, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja atletisma «Mondiaux 2025». Manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Sidonie Fiadanantsoa. Omaly, nihazakazaka teo amin’ny 100 m misy fefy ny tovovavy. Vao tany amin’ny fifanintsanana dia efa nihintsana izy. 13 s 27% ny nahavitany ny halavirana ary laharana fahafito no nisy azy. Ilay amerikanina, i Grace Stark, no nitazona ny laharana voalohany, 12 s 46. Narahin’ilay polonezy, i Pia Skrzyszowska, 12 s 51; ary fahatelo, ilay jamaikanina, i Amoi Brown, 12 s 82. Izy telo mirahavavy ireo ihany koa no tafita niatrika ny manasa-dalana. Taorian’ny hazakazaka, nanambara i Sidonie fa ratsy ny vokatra azony. Saingy tsy mahakivy azy satria tao anaty ratra izy. Nomarihiny fa miady irery izy manoloana ireo mpifaninana maneran-tany. Nisaorany ny mpanazatra sy ny mpitantana ary ireo nanohana azy. “Tapitra tamin’iny ny taom-pilalaovako. Miala sasatra aho aloha izao ary mitsabo tena, hanomanako ny taom-pilalaovana manaraka”, hoy izy.
Tompondaka




