Atao amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana ny asan’ny fitsarana mba hahazoana mampihatra ny lalàna, araka ny hafatry ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tamin’ny fananganan-tsaina teny Faravohitra, omaly. Nampahery ny mpiara-miasa izy amin’ny fahasarotan’ny asan’ny fitsarana.
Tsy mila dinihina eo anivon’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) intsony ny momba ireo Nosy malagay manodidina, araka ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana. Efa nisy ny fehinkevitry ny ONU tamin’ny 1979. Ny fampiharana izany no iadiana.
Miainga amin’ny vahoaka ny demokrasia, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, teny Anosy, omaly, momba ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia. Singa lehibe ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ary ny zo mandray vaovao: malalaka ny fanehoan-kevitra.




