TARATRY ny KANTO

Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay sehon’i Tselonina sy ny tarika Jeneraly any Paris. Saika hatao ny sabotsy teo io, saingy soa ihany ho an’ny mpankafy teto Madagasikara. Noho io fanemorana io mantsy no nahafahan’i Tselonina nihaona tamin’ireo mpankafy tetsy Mahamasina, sy nanolorana azy ny mari-pankasitrahana ihany koa, ho pao-tsatroka avy amin’ny “Tafan-gilita Festival”. Tsy maintsy mbola hisy kosa anefa ity seho hatao ao amin’ny Le Millénaire ity.

Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ihany koa ilay boky “Madagascar: écrire le Grand Sud”, an’i Dominique Ranaivoson. Fikambanana boky miresaka ny tapany atsimon’ny Nosy izy ity. Vory tao amin’ny IFM Analakely ny sasany tamin’ireo mpanoratra, nahitana an’i Latimer Rangers, Louis Szumski, Poety Rebely, David Jaomanoro, Lila Ratsifandrihamanana ary i Temandrota. Misy tantara, fijoroana vavolombelona, tononkalo ary vaovao mahakasika ny zava-misy marina any Atsimo ny boky, izay novelabelarina nandritra ny fotoana.

Hisy ny fotoana hatokan’ny Reko Band hihaonana amin’ireo mpankafy azy. Hatao ny zoma 19 septambra izao io, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misy fepetra anefa izany, satria izay mividy ny tapika amin’ny Iles Connectées ihany no mandray anjara amin’ny fisarihana, izay hatao rahampitso, amin’ny 10 ora maraina, mivantana ao amin’ny pejy facebook an’ny Reko Band sy ny AFT. Fandrisihana ireo mpankafy, no famaliana ny hetahetan’izy ireo, ihany koa izao.

Partager sur: