Fiarovantena! Hifanandrina amin’i Zambie, tompondaka farany, anio, any Zimbabwe, ny Barea, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja baolina kitra (Cosafa U17). Tsy maintsy hitady fandresena ny Barean’i Madagasikara
Hotanterahina anio ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja baolina kitra (Cosafa cup), sokajy U17. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianjan’ny Hearts Stadium Zimbabwe. Hifanandrina amin’izany ny Barean’i Madagasikara sy i Zambie, ho an’ny vondrona “B”.
Raha tsiahivina, efa tsy tafita any amin’ny dingana manaraka intsony ny Malagasy, fa toy ny lalao fiadiana voninahitra sisa ity hatao ity. Tsara ny mampahatsiahy fa i Zambie, izay tompondaka farany, ary mbola manana herijika betsaka indray amin’ ity no hihaona amin’ny Malagasy. Marihina fa faharesena roa nisesy no nianjady tamin’ ny Barea, tao amin’ity sokajy misy azy ity. Anisan’izany ny nandavoan’i Malawi, tamin’ny isa 3 no ho 1, teo amin’ny andro voalohany, sy ny nanamontsanan’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa mazava 5 no ho 1, ho an’ny andro faharoa.
Hiezaka haka fandresena
Niteraka resabe, na tamin’ ny tambajotran-tserasera na tamin’ny resaka teny rehetra teny, ity faharesena mihoa-pampana azon’ny Barea zandriny ity. Ao ireo milaza fa tena ho simba ny hoavin’ny baolina kitra malagasy, raha ireny no ho solofo mandimby. Nisy koa ireo nanakiana tamin’ny fifantenana ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara, izay ambaran’izy ireo fa tsy misy avy amin’ireo ligim-paritra hafa. Mafy ny tsindry mahazo ny mpanazatra sy ny Malagasy mpilalao, ankehitriny, ka hiezaka hivoaka handresy izy ireo amin’ity lalao farany ity.
Marihina fa zava-dehibe ity fifanintsanana ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can U17), amin’ny taona 2026, ireo firenena telo voalohany.
Fitia Randria




