SOMBIM-BAOVAO

Ekipa lehilahy 10 sy vehivavy 9 no hifaninana mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, eo amin’ny sokajy « 1ère division ». Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny 20 hatramin’ny 27 septambra izao. Ny 19 septambra izao kosa no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka.

Hifarana anio ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, sokajy vehivavy sy vétérans. Fifaninanana izay hatao ny 20 sy 21 septambra izao, eny amin’ny CGM Analakely. Tsiahivina fa hisy fihodinana 6 amin’ity fifaninana ity. Ny 50 taona no miakatra kosa no afaka mandray anjara amin’ny sokajy vétérans, araka ny voara­kitra anatin’ny fitsipika ara-teknika.

Tontosa tany Nosy-Be, ny 14 septambra teo, ny fifaninanana iraisam-pirenena « Morengy international » nokarakarain’ny Boîte Noire . Ankoatra ny fandraisana anjaran’ny Malagasy mpikatroka, Tonga nifaninana teto an-toerana ny mpikatroka avy any Mayotte sy La Réunion, toa an-dry Bazooka sy Bombardier. I Maribala sy i Lalin moa no nifandrina tamin’ireto vahiny mpikatroka tonga teto Madagasikara ireto.

Partager sur: