Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, tetsy Ambohidahy. «Ny fitadiavana vahaolana ho an’ny firenena ihany izao no tokony hatao laharam-pahamehana», hoy izy
Nambaran’ny governoran’ny faritra Analamanga, omaly, tetsy amin’ny biraony, Ambohidahy, fa tsy tokony hatao adihevitra amin’izao fotoana izao ny mety hisian’ny taom-piasana fahatelo ho an’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. «Ho anay manokana, tsy ny resaka mandat fahatelo no atao adihevitra amin’izao fotoana izao fa ny tokony himasoana sy hitadiavana vahaolana dia ny hampilamina ny fiainam-bahoaka», hoy ny governora misahana ny faritra Analamanga, sady sekretera nasionalin’ny antoko TGV. Anisan’ ny hitadiavana vahaolana ankehitriny ny resaka fahatapahan-jiro, ny rano, ny fianarana, ny fahasalamana, ny tontolon’ny asa, ny lalana ary ny fari-piainan’ny vahoaka…
Nomarihiny hatrany fa efa miezaka manatanteraka sy hita taratra eny rehetra eny ny zavatra ataon’ny filoha. Manaporofo izany, hoy izy, ny fanamboarana ny sekoly, ny teleferika, ny kianja manara-penitra,…
Tsy liana korontana intsony…
Nohamafisiny hatrany fa tsy liana amin’ny resaka korontana intsony ny Malagasy ary tsy vahaolana izany.
«Betsaka ny zava-mitranga amin’ny resaka politika. Tsy laharam-pahamehana amin’ny Malagasy intsony ny handeha hanakorontana. Fa raha manana vahaolana isika, aleo izay no haroso», hoy hatrany izy. Notsiahiviny fa ny asa sy ny zavatra atao ho an’ny firenena ihany no hitsarana ny mpitondra.
Fitia Randria




