SOMBIM-BAOVAO

Vonona hanohy ny fifaninanana iraisam-pirenena miandry azy amin’ity taona 2025 ity, ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura. Ny”Grand Prix de Qingdao 2025″ ny fifaninanana hatrehiny, ny 26 hatramin’ny 28 septambra izao, any Chine. Hatreto, fifaninanana iraisam-pirenena 3 no vitan’i Laura, ary vonona izy ny hanohy izany manomboka amin’ity volana septambra ity. Nampitombo ny fanomanan-tenany i Laura ary manana tanjona ny haka fandresena indray.

Hotanterahina ny faran’ity herinandro ity, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, sokajy Vétérans. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hifanandrina ny ekipan’ny ASBM sy ny ekipan’ny PMBC, amin’ny 1 Ora sy 50 minitra tolakandro. Ny ekipan’ny Tia BC sy ny ekipan’ny ASSM/UBT kosa no hihaona, eo amin’ny sokajy lehilahy, amin’ny 3 Ora sy 20 minitra.

Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 12 desambra izao, ny Xtreme “Fight Night”, andiany faharoa, taranja Kick boxing. Fifaninanana karakarain’ny klioban’ny Lion Force, andraisan’ny Malagasy mpikatroka kalaza anjara, toa an-dry Cyborg. Hisy ny alim-pandihizana amin’io fotoana io, izay tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana.

Partager sur: