Mba misy vidiny!

 

Nampivarahontsana ny mpanara-baovao, omaly, ny lozam-pifamoivoizana iray teny Talatan’i Volonondry. Tapitr’andro tamin’ny tsy nampoizina ny raim-pianaka­viana sy ny zaza vao iray taona monja. Ny renim-pianakaviana mbola voa mafimafy, miady amin’ny fahafatesana. Indray mipi-maso, folaka andry niankinana, namoy menaky ny aina. Tena mampahonena.
Raha ny antony niteraka ny loza dia samy manana ny filazany ny manodidina. Ny nitovizana dia ny andraikitry ny mpamily. Na inona na inona olana teknika voizina dia nisy aloha ny ain’olona nafoy. Mazava fa tsy afa-miala ny olona nitazona ny familiana sy izay niaraka taminy tao. Manamafy na manamaivana ny fanenjehena azy ireo eny amin’ny fitsarana heloka bevava ny fanampim-baovao.
Tsiahivina fa henjana ny lalàna malagasy mahaka­sika ny fahafatesan’olona amin’ny lozam-pifamoivoizana. Miandry izay tompon’antoka mivantana ny fonja noho ny vono olona tsy niniana natao. Mbola mahazo ny anjarany ihany koa ny tompon’ny fiara, raha voamarina fa olana teknika sy mekanika no rangory fototry ny afo, antony niteraka ny loza. Tomponandraikitra ankolaka izy.
Manoloana izany indrindra no hanaovana antso avo sy hisintonana lakolosy matetitetika. Betsaka ny tompon’ ny fiara no tsy mivaky loha amin’izay mba fikojakojana ny fananany. Raha fiara fitateram-bahoaka na fiara kare­tsaka hampidiram-bola dia ankininy amin’ny mpampiasa azy ny andraikitra. Tsy mahavita mamoaka vola izany.
Zava-doza! Miantehitra amin’ny serasera ataon’ny mpamily sy ny mpanampy azy ny tompom-piara. Matin’ny sitrany ahay. Ireto farany ihany koa mikarama, tsy han­dany volabe ho an’ny tsy fananany. Mazava ho azy fa raikitra ny tandrametaka sy ny petatoko amin’ny fanambatambarana kojakojam-piarakodia. Tsy misy mahafoy vola hividy vaovao sy hanakarama matihanina. Adino fa misy vidiny ny aina!

r.r

Partager sur: