Andriamanana Nivoarivony : “Tsy mampisy tamberin’andraikitra ny anto-bola be amin’ny fifidianana”

Ao anatin’ny fiatrehana fifidianana loholona izao. Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), anisan’ny mpiofana amin’ny fitantanana fifidianana, karakarain’ny Enam sy ny COI ary ny Ceni eny Androhibe, Andriamanana Nivoarivony: “Rehefa lasa ambony be ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, lasa tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy izay voafidy.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fifidianana loholona amin’izao?
Andriamanana Nivo­a­ri­vony (-): Tapitra ny fe-po­toam-piasana dimy taon’ny Anteni­mierandoholona. Lojika ny fifidianana amin’ny 11 desambra. Manaraka sy manaja ny voalazan’ny lalàna ny Ceni na­nolotra izay datim-pifidianana izay. Efa naneho ny heviny ny Fitsarana avo momba ny lalàm­panorenana (HCC) ny amin’ izany. Mpifidy vaventy no mifidy loholona. Nefa misy ny mpanao politika mimenomenona hoe tsy feno ireo mpifidy va­venty. Marina izay, nefa na ny teo aloha aza efa tsy feno koa. Tenenina ve izay hoe tsy fanarahan-dalàna?
Mifanindran-dalana amin’ ny fiofanana karakarain’ny Enam sy ny COI ary ny Ceni ho an’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana amin’ny tetikasa Fitantanana – Fandriampaha­lemana – Fahamarinan-toe­rana na ny “Gouvernance – Paix – Stabilité” (GPS) amin’ity herinandro ity izay. Haha­zoana mijery trangan-javatra ny toy izany, tsy hisian’ny hoe tsy manara-dalàna. Mba ma­hatsapa sy mandray ny an­draikiny avy ny mpisehatra amin’ny fifidianana… Hialana amin’ny tsy fandraisana an­draikitra na fidongiana tsy handray anjara amin’ny fifidianana koa. Ny tokony hatao aza dia ny fitakiana ny fifidianana lehiben’ny Faritany sy ny lehiben’ny Faritra mba ho feno ny mpifidy vaventy amin’ ny fifidianana loholona manaraka. Tsy hadino ny fifidia­nana kaominaly amin’ny am­pahany izay tokony haverina. Aiza ho aiza ny Ceni amin’ izay? Mba tsy hanana olana amin’ny toy izany koa ny fanjakana. Satria izay no fanja­kana tan-dalàna sy maha firenena demokratika: manaraka sy manaja lalàna. Dingana hirosoana ho amin’ny tsara­tsara kokoa amin’ny fanamafisana orina ny demokrasia eto Madagasikara…

* Ahoana ny amin’ny anto-bola 60 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina mampiaka-peo ny mpanao politika sasany?
– Tsy ny mpanao politika ihany… Misy miteny hoe maninona tamin’ny fifidianana depiote 20 tapitrisa Ar, fa amin’ ny fifidianana loholona 60 tapitrisa Ar? Ny voalazan’ny lalàna dia hoe fanontana biletàm-pifidianana no ilana io anto-bola io. Ny ambiny, tsy anjaran’ny kandidà ny mandoa azy. Na izany aza, mahita koa ny fiarahamonina sivily hoe lasa misy endrika fanilihana… Tsy mitovy ny fitantanana ny tsirairay raha miro­tsa-kofidina. Ho an’ny vehivavy manokana, ohatra, efa nanahirana na tamin’ny fifidianana depiote aza. Manantena sy manentana izahay fa mba ho betsaka ny vehivavy handray anjara amin’ny fifidianana. Raha tsy misy vehivavy ny voa­fidy eo, mba hasiana vehivavy ireo tendrena ho loholona.

* Inona no tombondahy amin’ny fiofanana eny An­drohibe?
– Mbola vao manomboka izao… Ny mahatsara azy, ahazoan’ny rehetra miara-mahita sy mahatsapa: ahoana marina ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny endri-pifidianana eto Madagasikara? Fifidia­nana tokony ho amin’ny fotoana raikitra tsy miovaova, ohatra. Eo koa ny zotram-pifidianana
iray manontolo. Hatramin’ny febroary 2026 no faran’ny fiofanana, arakaraka ny hevitra fototra iofanana. Fara faraharatsiny, mba misy vokatra tsara azo… Tsy misy fahagagana ny fikarakarana fifidianana, fa mba hisy, ohatra, ny fifampitokisana amin’ny fikirakirana izany.

* Be dia be ny lalàna sy ny karazana atrikasa na fampiofanana fa aiza ho aiza ny fampiharana?
– Izay no olana… Mbola ao anatin’ny adihevitra izao. Teo, tsy mitovy ny lalàna hitan’ny tsirairay. Amin’izao, aiza ho aiza ny fampitoviana tadin-dokanga ny amin’izay? Jerena ny zava-misy eto amin’ny firenena, ezahina amin’izay ny hoe: inona ny andraikitra to­kony horaisana? Mampita­bataba, ohatra, ny mpifidy vaventy tsy feno, tokony ho tonga saina ny rehetra: andao hiady mba ho feno izany amin’ ny manaraka. Tsy tokony hisy fifidianana izany raha tsy provensialy sy rezionaly.

* Aiza ho aiza ny tamberin’andraikitry ny kandidà amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina loholona hoe midangana be?
– Amin’ny lafiny iray, tsara; amin’ny lafiny iray, ratsy… Ireo izay voafidy eo, hamerina ny vola laniny tamin’ny fifidia­nana aloha raha vao tonga eo amin’ny toerany. Izay no olana amin’ny tsy famerana ny vola laniana. Eo koa ny anto-bola midangana be. Nefa tsy izay fotsiny ny famoaham-bolan’ny kandidà. Mbola hanao fampielezan-kevitra izy ireo. Nefa Faritany ny fari-pifidianana fa tsy distrika toy ny tamin’ny fifidianana depiote. Mazama­zana ihany… Manana izay heveriny koa ireo mpifidy vaventy amin’ izany. Anjaran’ny kandidà ny mandresy lahatra.
Ny mahatsara ny anto-bola midangana be, tsy ny re­hetra kosa no tokony hirotsa-kofidina. Raha atao ambany be io, miverina toy ny fifidia­nana filohan’ny Repoblika tamin’ny 2013: 40 mahery ny kandidà. Mba mila misy fifantenana ny kandidà… Na izany aza, ambony loatra ny 60 tapitrisa Ar ho an’ny vehivavy. Rehefa lasa ambony be ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, lasa tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy izay voafidy. Mieri­tre­ritra izay hamerenana ny vola laniny… Sao lasa zavatra hafa no mandeha aloha? Izay no maharatsy azy. Aty amin’ ny tany an-dalam-pandro­soana isika, mety vidian-dafo ny mpifidy vaventy.

* Ahoana ny firafitry ny Antenimierandoholona saika nahena hatrany ny isan’ny mpikambana?
– Misy lafiratsy izay… Lasa tsy misy intsony ny fisoloan-tena, na hoe loholona iray isam-paritra aza. Lasa misy Malagasy tsy voasolo tena eo anivon’ny Antenimieran­do­holona. Loholona roa isaky ny Faritany no fidina. Nefa misy Faritra maromaro ao anatin’ny Faritany iray. Misy Faritra tsy voasolo tena izany. Fara farakeliny, mba iray isaky ny Fa­ritra no hofidina.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: