Imerintsiatosika : Voasakana ny fidinana an-dalambe nokasain’ny Fivoi

Voasakana ny hetsika fidinana an-dalambe nokasain’ny Fivoi hatao teny Miakadaza, Imerintsiatosika, faritra Itasy, omaly. “Nijery izahay hoe: nisy fangatahana alalana ve? Satria izay no lalàna. Tsy nisy fangatahana alalana tonga tao aminay”, hoy ny fanaza­van’ny lehiben’ny distrika, Ra­zafindralambo Rojo, teny an-toerana. Ny dikan’izany, tsy na­hazoana alalana ny fi­hetsi­ketsehana nokasaina hatao. Araka ny lalàna, atao ny fanakanana izany, fa tsy misy na fangatahana aza. Ny lalàna hatrany no arahina sy atao.
Araka izany, voasakan’ny mpitandro filaminana ny lalana hidirana amin’ny toerana saika hanaovana ny hetsika ao Miakadaza, Imerintsiato­sika. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny solombavambahoaka telo avy amin’ny Fivoi sy ny lehiben’ny distrika momba ny raharaha. Na teo aza izany, nisy ihany ny olona tonga teny an-toerana. Nitondra sora-baventy mitaky ny fialan’ny lehiben’ny distrika izy ireo. Teo koa ny fampiakaram-peo sy antsoantso niaraka tamin’ny fitsofana kiririoka. Voateni­teny tamin’izany, ohatra, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, ny tsy fisian’ny fihainoana ny vahoaka amin’izay maharary azy… Niafara tamin’ ny diabe ny hetsika, notarihin’ ny filohan’ny Fivoi, sady de­piote voafidy tao Arivoni­mamo, Rajerison Antoine.

R. Nd.

Partager sur: