Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025» : Firenena 40 mahery hiady izay ho lohany

Hanomboka anio, any Rome, Italie, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fihaonana natokana ho an’ olon-tokana lahy sy vavy, olon-droa lehilahy sy vehivavy, ary lalao ho an’olon-droa vehivavy sy lehilahy miaraka. Firenena mahatratra hatrany amin’ny 40 no hiady ho lohany amin’izany ka anisan’ireo manana solontena amin’ity i Madagasikara. Raha tsiahivina, hiaro ny voninahi-pirenena eo amin’ny olon-tokana, i Baloty, ho an’ny lehilahy, ary i Tita, eo amin’ny vehivavy. Baloty sy i Lova ho an’ny olon-droa, lehilahy, ary Fana sy i Tita, eo amin’ny ve­hivavy. Lova sy i Fana kosa no eo amin’ny ekipa lahy sy vavy miaraka.
Ankoatra izay, hiverina hifaninana amin’ity fihaonana an-tampony ity ihany koa ry zareo Thaïlande, taorian’ny sazy tsy fahazoan’izy ireo niatrika izany, tamin’ny taon-dasa. Hangotraka ny fihaonana satria hilalao ao an-tananany, i Diego Rizzi, ilay tompondaka maneran-tany 2024, ho an’olon-telo miaraka. Hiaro ny anaram-boninahiny ihany koa ilay fran­tsay, i Dylan Rocher.
Raha ny fandaharam-po­toana ho an’ity andro voalohany ity. Hisantatra izany ny fihodinana voalohany ho an’olon-tokana, vehivavy. Arahin’ny fifanintsanana ho an’olon-droa, lehilahy. Aorian’izay vao hatao ny lanonam-panoka­fana. Hitohy amin’ny olon-droa, vehivavy, sy ny olon-tokana, lehilahy, sy ny olon-droa lahy sy vavy miaraka izany avy eo.

Tompondaka

Partager sur: