Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fikaonandoha momba ny fitsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Nohamafisin’ny filoha Rajoelina Andry, fa tena nitondra fanovana ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta.
“Mitondra an’i Madagasikara ho amin’ny fanovana amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa. Hamafisina izany hanatanterahana ireo tetikasa rehetra iarahana, hisy fiantraikany azo tsapain-tanana amin’ny fiainam-bahoaka.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanokafana ny fivoriana fahatelo momba ny fiaraha-miasa amin’ny fitsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, teny Ivandry, omaly. Lohahevitra ny hoe: “Ny fitantanana eny ifotony: fitaovana enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro”. Mandray anjara ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, tomponandraikitry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, mpiara-miombon’ antoka… avy amin’ny vondrom-paritry ny roa tonta.
Manatsara ny fiainana andavanandron’ny olona an-tapitrisa ny fiaraha-miasa. Ny tetikasa lalankely vatsian’ny Sampandraharaha frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) sy ny Vondrona eoropeanina vola, ohatra, nanaovana sy nanavaozana lalankely 98 Km amin’ ny CUA, ary kaominina 25 manodidina. Eo ny fanorenana fotodrafitrasa 900 toy ny fanomezan-jiro sy tobim-pahasalamana ary vovon-drano 115, ny fotodrafitrasan’ny tanora, toy ny tranomboky sy kianja fanaovana basket-ball… Ny fandaharanasa fanohanana sy fampandrosoana ny tanàn-dehibe voalanjalanja (Padeve) amin’ny dingana faharoa, mahakasika ireo tanàn-dehibe: Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe… kosa Nahazoana nanadio ny lakandranon’ Andriantany, 7 Km, sy nametrahana tobim-potaka 150 000 m3 ny tetikasa fanarenana an’ Antananarivo, nampihena ny tondradrano.
Hifarana anio ny fikaonandoha, hisiana fanaovan-tsonia ny vina sy fanamby vaovao ho fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny fitsinjaram-pahefana eo amin’i Madagaiskara sy i Frantsa.
R. Nd.




