FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i Madaga­sikara ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ny olon’ny taona 2026 avy amin’ny gazety boky Afri­cain Leader­ship Magazine. Antony ny fanomezan-danja ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry izay voahosotra ho mpitarika afrikanina eo amin’ny politika, taona 2024.

Nanatitra taratasy fa tsy nisy nandray teny amin’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly, ireo mpa­nolotsain’ny Tanàna avy amin’ny mpanohitra eo anivon’ny CUA. Anton’izany ny fangatahana fihaonana hikatsahana vahaolana amin’izay maharary ny vahoaka, toy ny fahatapatahan’ny famatsian-jiro sy rano eto Antananarivo Renivohitra nahavoafidy azy ireo.

Nataon’ny fitondram-panjakana amboletra ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra ho avy izao, araka ny nambaran’ny mpanolotsain’ny Tanà­na, Anta­na­narivo Renivohitra, Rakotoarisoa Alban, teny Anosy, omaly. Voalazan’ny lalàmpanorenana fa tokony hofidina ny lehiben’ny Faritany sy ny lehiben’ny Faritra ary mpanolotsain’izy ireo avy.

Partager sur: