« Salon de la gastronomie » andiany faha-11 : Fotoan-dehibe ho an’ireo mpankafy ny hainahandro

Manan-talenta, manana ny akora fototra ary misongadina maneran-tany, i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny hainahandro. Anisan’ireo hasongadina ny sôkôla malagasy amin’ity andiany ity.

Raha resaka nahandro, miavaka ny Malagasy.  Voaporofo hatrany izany, na eto an-tanindrazana ka hatrany amin’ireo hetsika lehibe maneran-tany ho an’ny hainahandro. Antony iray mbola mampitoetra ny lazan’ny «Salon de la gastronomie», izay hiditra amin’ny andiany faha-11 amin’ity taona ity izany. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas ma­dagascar Andraharo, ny andinindinin’ny hetsika. Hotonto­saina ny 25 hatramin’ny 27 septambra izao, ao amin’ny AFT Andavamamba izy ity. 3 andro ho an’ny hainahandro malagasy, fa hisokatra ihany koa ho an’ny fahaiza-manao vahiny eo amin’ity sehatra ity izany.
Hasongadina kokoa ny sôkôla, izay lohahevitra iompanan’ny karazana nahandro haroso mandritra ny hateloana. Manana ny sôkôla tsara indrindra maneran-tany rahateo eto Madagasikara.
Hiompana amin’izay ny andro faharoa, izay hanamarihina rahateo ny Andro iraisam-pirenena hoan’ny cacao. Arahina famelabelaran-kevitra izany, izay hoentin’i Helihanta Rajaonarison. Tsy misy tsy ma­­halala ny lazan’ny cacao malagasy, fa manao ahoana ny vokatra voahodina? Ani­san’ireo horesahina ao izany. Hizara ny traikefany amin’ny sehatra i Henintsoa Moretti, matihanina amin’ny hainahandro eto sy any ivelany, nanangana ny Haka Fy Authentic Restaurant.
Mpitsidika manodidina ny 5 000 eo no andrasan’ny mpikarakara, raha ny fanazavana, omaly. Hifarimbona hanatanteraka izany ny Yas Madagas­car, ny Organisation internationale de la Francophonie ary ny komity mpikararaka, mba hanomezana sehatra ny hainahandro amin’ny maha ko­lontsaina iraisam-pirenena azy.

Zo ny Aina

Partager sur: