SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 17 sy 28 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, ho an’ny taom-pikatrohana 2025. Ny sokajy Cadet, Ju­nior, Senior no hifaninana amin’ny Low kick, Kick Fight ary ny K1 Rules. Hitiliana izay ho solontena malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taona 2025, ity fifaninanana ity.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia lasa teo, ny fandraisan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana, ny fandraisana anjaran’ireo atleta malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Karate, sokajy Cadet, Junior ary Senior 2025, any Paris. Nankatoavina torak’izany koa, ny famindrana sorabola ho famatsiana ny fitaterana ny ekipam-pirenena Barea A, amin’ny lalao fifanintsanana tompondaka maneran-tany, ny 6 sy 9 oktobra izao.
Hiatrika fampivondronana ao amin’ny Aka­demia nasionaly ny Spaoro, ny 2 hatramin’ny 5 oktobra izao, ny mpikatroka ny taranja karate, sokajy Ankizy U8, U10, U12, U14 Kata sy Kumite. Izay tafiditra laharana roa voalohany, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sy ny Coupe internationale de Tanà ary ny Challenge de Betsileo, tamin’ity taona ity no voaantso hiatrika izany fampivondronana izany.

Partager sur: