Fe-potoana fiasan’ny Filoha: “Azo atao ny fitsapan-kevi-bahoaka”, hoy Rakotomanga Taciano

“Voalaza mazava tsara ao amin’ny And. 5 amin’ny lalàmpanorenana fa an’ny vahoaka ny fahefana. Ampiasaina amin’ny alalan’ny fifidianana izany fahefam-bahoaka izany. Azo atao tsara raha ohatra misy ny fangatahana ny safidin’ny vahoaka amin’ny fanaovana fitsapankevi-bahoaka.”

Io ny nambaran’ny governoran’ny Faritra Diana, Rako­tomanga Taciano, tamin’ny mpanao gazety tany Antsira­nana, afakomaly, manoloana ny adihevetra momba ny fe-potoana fiasan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Amin’izay fotoana izay, ma­neho ny safidiny ny vahoaka. Efa fanoherana sahady ny maha tany demokratika ny eto Madagasikara ny fanoherana an’izay. Fanoherana ny fangatahana ny safidin’ny vahoaka dia fanoherana ny demokrasia. Mazava be ny famaritana ny demokrasia fa avy amin’ny vahoaka ny fahefana, ary avy amin’ny vahoaka ny safidy. Raha ny vahoaka tompon’ny fahefana izay no tsy afa-kaneho ny safidiny, heverina fa tsy rariny ary tsy mandala ny hoe tany demokratika izay.
Raha ny fahitany ny momba ny hoe fe-potoam-piasana fahatelo, ny filohan’ny Repo­blika no tompon’ny teny fa­rany. Ny vahoaka malagasy no tokony mbola hangataka an’ izay hanohizan’ny filohan’ny Repoblika ny asa maro efa na­taony. “Raha manapa-kevitra ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry, fa tsy hirotsa-kofi­dina intsony: sarotsarotra ho antsika Malagasy ny hahita olona tia tanindrazana sy tia fampandrosoana mitovy aminy”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: