Nosy-Be : Polisy 30 nisitraka fiofanana

Hisorohana ny tranga fizahantany mamoafady sy ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny zaza tsy ampy taona, polisim-pirenena miisa 30 nisitrika fiofanana tao Nosy-Be, ny 18 septambra teo. Nivondrona tao amin’ny tranobe ARO ao an-toerana ireo mpitandro filaminana sy ny mpampiofana azy ireo. Tomponandraikitra misahana ny hetsika ny fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny fampiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Manampy azy ireo amin’ny fiaraha-misalahy amin’ny fanatanterahana ny fiofanana rahateo ny ONUDC sy ny FBI. Tanjona ny hisitrahan’ireo mpiofana traikefa ahafahana miady amin’ny fizahantany mamoafady sy ny fanararaotana ara-nofo. Tsiahivina, matetika lasibatr’ireo tranga ireo, ho an’ny ao Nosy-Be manokana, ireo zaza tsy ampy taona. Nifarana omaly io fiofanana natrehin’ny polisy miisa 30 io.

Tsiferana R.

Partager sur: