Minisitra Andriantsitohaina Naina :”Hohatsaraina ny fifanarahana momba ny fitsinjaram-pahefana”

“Be dia be ny fifanarahana natao nandritra izay fotoana izay. Maro ny kaominina sy faritra nisitraka an’izay asa fampandrosoana izay. Mila hatsaraina izany, indrindra hosokafana amin’ny kaominina sy faritra hafa izay fifanarahana amin’ireo faritra sy kaominina any Frantsa izay”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina, tamin’ny mpanao gazety taorian’ny namaranana ofisialy ny fivoriana fahatelon’ny fiaraha-miasa momba ny fitsinjaram-pahefana eo amin’i Mada­gasikara sy i Frantsa, teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny manampy koa ny kaominina sy ny faritra eto an-toerana ny fifanarahana amin’ny kaominina sy ny faritra avy any ivelany. Eo koa ny asan’ny fanjakana izay misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena amin’ ireo tetikasa hita andavanandro. Tsara koa ny fandrasain’ ny kaominina sy ny faritra tsirairay an-tanana ny hoaviny, ary hataony miaraka amin’ireo kaominina sy faritra any ivelany amin’izao.
Nambarany tamin’ny ka­bary famaranana kosa fa niavaka ny fikaonandoha tamin’ ity, fa tena tsara ny haavo lentan’ny adihevitr’ireo mpandray anjara. Nahatratra izany ny rehetra, ary teo ny fahatsapana fa nivoaka ny hery sy risi-po.
Tena afapo avokoa ny rehetra tamin’ireo asa fisain­tsainana. Nisy ny fifanakalozana sy fampitahana momba ireo tetikasa ho amin’ny fahombiazana. Nojerena ireo teboka ny amin’izay manahirana, ny andrana fiantsarana an-tsaina ny hoavy. Betsaka ny tetikasa ary ho an’ny ankamaroan’ireo fahombiazana dia azo jerena eo imason’ny rehetra, raha atomboka amin’ny fandaminana eny ifotony
amin’ny fanatanterahana iza­ny.

R. Nd.

Partager sur: