FANTINA sy FINTINA

Manomboka izao, afa-mifampiraharaha mivantana amin’ny Faritra any ivelany ny vondrombahoakam-paritra eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny governoran’ny Faritra Sofia, ny jeneraly Lylison René de Rolland, teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo. Nefa tsy maintsy mampahafantatra ny minisitra mpiahy mba hahazoana manao fanaraha-maso.

Nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny mi­nisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny ambasadaoron’i Inde teto Madagasikara, i Bandaru Wilsonbabu. Voaresaka tamin’izany ny fanatanterahana ny tetikasa lehibe nanomezan’i Inde vola 2 miliara Ar ho famatsian-drano an’i Nosy Be, Faritra Diana.

Tsy tokony ho sakana amin’ny fifidianana loholona ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna Alakamisy Andrano­madio, distrik’Anjozorobe, Razafimanjato Abel. Ireo mpifidy vaventy efa misy no maro anisa noho ireo hoe tsy ampy. Tsy sakana koa ny anto-bola 60 tapitrisa Ar fa niakatra avokoa izany tamin’ireo fifidianana nisy teto.

Partager sur: