Seho indroa nisesy: Nahavory olona hatrany ny Tarika AmbondronA

Ny zoma sy ny omaly, fenon’ny tarika AmbondronA hatrany ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imaha­masina. Nahitana fanatsarana hatrany ny teny an-tsehatra sy ny tontolon’ny fampisehoana manontolo. Anisan’izany ny nisian’ ireo mpitendry zavamaneno hafa ivelan’ny tarika izay nahitana sy nahenoina fa nanana « loko » hafa indray ireo hira nahafantarana ny tarika AmbondronA. Teo ihany koa ny nampiasana ilay « ecran » lehibe fa boribory izay tsy fahita firy amina seho goavana tahaka izao raha ho an’ny eto an-toerana. Fanatsarana nitondra endrika nahavariana ihany koa. Nandritra ny fampisehoana, omaly, no namoahan’ny tarika AmbondronA hira vaovao sy nampitany izany ho an’ireo mpijery tonga maro be teny an-toerana.
… Anisan’ny tranga teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina ihany koa ny nahitana ireo mpijery sady tonga ny zoma no nanatrika ihany koa ny alahady. Mifa­matotra akaiky amin’ny mpankafy azy ny tarika AmbondronA.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: