Espoirs Sportifs de Tuléar : Fikambanana mivelatra amin’ny taranja maro

Mbola vitsy ny fikambanana na klioba mivelatra amin’ny taranja maro samihafa eto Madagasikara. Ny Est na Espoirs sportifs de Tuléar, tarihin’i Vital Serge anefa dia anisan’ny manana izay ekipa amin’ny taranja maromaro izay, toy ny basket-ball Club Est (BCEst), handball Club Est (HCEst). Misy ihany koa ny eo amin’ ny taranja atletisma ary an-dalana ny hananganana ny taranja hafa toy ny volley-ball, baolina kitra ary ireo haiady maro.

Taranja iray anisan’ny mampalaza ary tena hisongadinan’ny Est ny taranja handball. Tsy tapaka ny fandraisan’anja­ran’izy ireo amin’ny fifaninanana nasionaly, isan-taona. Tsy hoe fandraisana anjara fotsiny fa tena mitondra vokatra tsara hatrany. Tamin’ity taona 2025 ity izao, nanao pao-droa ny taranja HCEst nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, natao tany Tsiaroanomandidy. Tompondaka teo amin’ny sokajy Cadets sy Junior ny HCEst. Fandresena ho an’i Toliara iray manontolo no nentin’ireto mpilalao ireto satria tsy ny klio­ban’ny Est ihany no nisoloan’izy ireo tena nandritra ity fifaninanana ity fa ny tanànan’i Toliara mihitsy. Tsiahivina fa efa indimy nifanesy izay ny HCest no voahosotra ho tompondakan’i Mada­ga­sikara, nanomboka tamin’ny taona 2021, 2022, 2023, 2024, ary izao 2025 izao indray. Hitazona io anaram-boninahitra io ny tanjona ary hanatsara hatrany ny lentan’ny mpilalao mba hampiakatra ny haavo teknika eo amin’ny taranja handball.

Tompondaka lefitra teo amin’ny basikety U18

Vokatra faharoa anisan’ny tsara ihany koa no azon’ny basketball club Est nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­ga­sikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 18 taona, natao tany Ambositra, tamin’ity taom-pikatrohana 2025 ity. Voahosotra ho tompondaka lefitra teo amin’ny sokajy U18, lehilahy, ny BCEst rehefa resin’ny JCBA Analamanga teo amin’ny lalao famara­nana.

Nambaran’ny filohan’ny klioba, i Vital Serge, fa na somary latsaka noho ny tamin’ny taon-dasa aza ny vokatra ho an’ny taranja basikety, zava-dehibe ny nahafahana nanana solontena tamin’ny sokajy rehetra izay natao fanamby goavana ho an’izy ireo. Nisy ihany koa ireo vao voalohany no niatrika fifaninanana nasionaly ka tsy nahagaga ny vokatra. Fitaizana, hoy izy, no atao an’ireo tanora eo anivon’ny fikambanana ka miezaka hatrany manatsara io fomba fitaizana io, izay fototra voalohany hahazoana vokatra tsara, izy ireo.

Hanana ekipa N1B ny BCEst

Misy ny paikady hapetraka hanatsarana ny vokatra. Anisan’izany ny hanamafisana ny fitaizana sy ny fitsipika eo anivon’ny fikambanana. Fanamby iray goavana ho an’ny taranja basikety koa, amin’ny taom-pilalaovana 2026, ny hananana ekipa N1B. Hiatrika ny fifaninanana nasionaly voalohany amin’ ny N1B izy ireo amin’io taona ho avy io. Tanjona ny hahatongavana hatrany amin’ny N1A afaka 3 taona ary hifaninana amin’ ireo ekipa goavana toy ny CosPN sy GNBC. Mpilalao efa novolavolaina teo anivon’ny klioba nanomboka tany amin’ ny U14 no handrafitra ny ekipa N1B an’ny BCEst ary mety hisy ihany koa ny fitadiavana mpilalao hafa hanatevin-daharana ny ekipa, raha ny nambaran’ny filohany.

Samy hafa ny politika sy ny fanatanjahantena

Fomba fisainan’ny filohan’ ny klioba efa hatramin’izay ny mametraka hatrany fa samy hafa ary miavaka tsara ny tontolo politika sy ny fanatanjahantena. Maneho ny fahavononana hatrany i Vital Serge hitaiza ireo mpilalao sy tanora eo anivon’ny Est ho rehare­han’ny faritanin’i Toliara. Tsy niady irery anefa izy fa nisy ireo raiamandreny sy olobe tao amin’ny tanànan’i Toliara niara-nisalahy taminy izay notolorany ny fisaorana.
Anisan’ny nahafantarana ny Est ihany koa ny resaka so­sialy izay mbola mitohy ha­trany, raha ny nambaran’ny filohany. Somary nihena kely izay tamin’ity taona 2025 ity, noho ny fifantohana tamin’ny sehatra hafa, saingy hitohy sy hihamafy izany manomboka amin’io taona 2026 io, indrindra ho an’ny ankizy sy tanora taizana eo anivon’ny fikambanana.
Tsiahivina fa efa feno 10 ankehitriny ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar ary efa tafakatra arivo mahery ny ankizy sy tanora taizana eo anivony.

Nanatontosa : Miarintsoa.Raz

Partager sur: