Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025»: Tompondaka maneran-tany, olon-droa miaraka, ny Malagasy

Nitondra avo ny voninahi-pirenena indray ny taranja tsipy kanetibe. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, eo amin’ny olon-droa, lahy sy vavy, miaraka ny Malagasy rehefa nandresy an-dry zareo frantsay, teo amin’ny famaranana. Anaram-boninahitra voalohany azon’i Madagasikara.

Tsara fiafara ny dian’ny Malagasy tany amin’ny fiadiana ny ho tompon­daka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, ho an’olon-droa sy olon-tokan “Mondiaux 2025”. Fifaninanana notanterahina tany Rome, Italie, omaly. Voa­hosotra ho tompondaka teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, “mixte”, i Mada­ga­­sikara. Resin’i Lova sy i Fana teo amin’ny famaranana, tamin’ ny isa 13 no ho 6, i France, na­hitana ilay kalazalahy, i Dylan Rocher sy i Audrey Bandiera. Niady ny fihaonana hatrany am-boalohany ary nifanenjehana hatrany ny isa teo amin’ny roa tonta. Tombony ho an’ny Malagasy i Lova izay tsy na­nary mihitsy teo amin’ny tifitra nataony. Nanana fahatoniana tanteraka ary saina matanjaka ny tovolahy na tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Nitarika 3 no ho 0 i France vao nanenjika ny Malagasy ary nihoarany hatrany amin’ny 6 sy 3. Avy eo nifanakaiky 6 no ho 5 saingy teo no nitsoaka tsikelikely izy mianadahy ka tsy tratra intsony.
Lavo teo amin’ny famaranana kosa i Baloty ho an’olon-
tokana raha nifanandrina tamin’ilay Italianina, i Diego Rizzi. Niondrika teo anatrehany tamin’ny isa 13 no ho 8 ity solontenantsika ity. Nisy ny fahadisoana teknika nataon’i Baloty, satria nisy fotoana tokony ho nitifitra izy saingy tsy nanao izany ary nanome tombony ho an’i Rizzi. Efa nikoropaka anefa ity mpifanandrina aminy ity saingy tsy hain’i Baloty ny nanararaotra izany. Sady tompondaka maneran-tany teo amin’ny olon-telo miaraka no ho an’olon-tokana izany i Rizzi.
Ho an’ny olon-tokana, vehivavy, voahosotra ho tompondaka ilay Thailandaise, i Choochuay Kantaros, rehefa nandresy ilay frantsay, i Nelly Peyre, tamin’ny isa 13 no ho 10.
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy tamin’ity satria tsy nody maina ary nanoratra tantara vaovao.

Tompondaka

Partager sur: