Mandalo ambana amin’ny mety hisiana krizy sosialy isika eto Madagasikara, amin’izao fotoana. Mahazo vahana sy miseho tsikelikely ny fikotrokotrohana korontana. Misy mitady hampirehitra ny afo mahakasika fanoherana ireo olana mianjady amin’ny andavanandron’ny mponina. Manomboka misy mampiaka-peo ny tsy faly amin’ny jiro sy rano tapaka. Ny fidiram-bola maty noho izany.
Etsy ankilan’izany mampanontany tena ny mahakasika ny mpiara-miasa sasantsasany anatin’ny fitondrana ao. Misy vondrona toa mikopaka ny afo ihany koa, mba tsy hilazana fa tena mpandray anjara fototra amin’ny fampirehetana izany. Ny tena itondrana tsindrim-peo dia ireo mpanao rano dikain’ny zinga tsotra izao. Manipy hoditr’akondro ilay tomponandraikitra eto amin’ny firenena.
Vanim-potoana itarafana indray ny fahaiza-manaon’ny tsirairay mahakasika ny serasera politikan’ny fitondrana izao. Matetika dia mijabaka amin’ny afitsoky ny mpanohitra sy ny mpilalao tambajotran-tserasera. Tsy hita ny asa mivaingana amin’ny famaliana ireny. Ny an’ny sasany aza, mainka mandrehitra ny afo. Mamadika ny hery ho fahalemen’ilay fitondrana.
Zava-doza koa ireny lazaina fa ampamoaka haparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera ireny. Mampanahy fa toa mandrora mitsilany ihany ireto milaza ho mpanohana. Tokony mba manana fifehezan-tena ny hangina ihany koa. Tsy voatery miteny foana anie raha hiady sy hametraka ny fahefana. Ny tsy fitenenana dia tsy midika ho faharesena na fahabangana.
Henjankenjana ihany ny fifehezana ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao. Hita ho mikoropaka, tsy afa-mandinika fotoana maharitraritra ny andaniny, raha mikiribiby sy milaza tsy hanaiky lembenana ny ankilany. Mihenjan-droa ny tady fa ny fahaizana mifehy ny toe-draharaha anatin’ny 72 ora no handrefesana ny tanjaky ny andaniny sy ny ankilany. Samy mila mitandrina!
Randria




