FANTINA sy FINTINA

Tsy manana toerana eto Madagasikara intsony ny fandravana sy ny korontana kasain’ny mpanohitra hapetraka, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, teny Manjakamiadana, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Mijoro ary handray andraikitra ny fitondram-panjakana.

Manana tetikasa hiarahana ny tanànan’i Mont­pellier, Frantsa, sy Antananarivo, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, ny faran’ny herinandro teo. Hanangana sekolin’ny sarimihetsika izay efa misy any aminy ry zareo. Hahazoan’ny Malagasy 150 isa isan-taona misitraka fampianarana momba ny horonantsarimihetsika izany, mandritra ny telo taona.

Nametraka taratasy fangatahana fahazoan-dalana teny amin’ny prefektiora Antananarivo, eny Tsimbazaza, omaly, ny mpanolotsaina mpanohitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Hajaina ny 48 ora mialoha ny hanaovana hetsika eny Ambohijatovo amin’ny 25 septambra ho avy izao, hitakian-dry zareo vahaolan’ny delestazy.

Partager sur: