TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fandraisana ireo tetikasa ho an’ny 1st Step Fund”. Natao hanohanana ireo mpamokatra sarimihetsika izy ity, izany hoe, fanampiana manomboka amin’ny dingana voalohany hidirana amin’ny sehatra mihitsy. Ireo manana tetikasa amina horonantsary fohy aloha no entanina handefa ny vokatra, mialoha ny 18 oktobra izao. Tombony lehibe ho an’ireo mpanatontosa sarimihetsika ny fisian’ny fanohanana toy izao.

Nivoaka ny rakitsarin’ny “Tsy anjara”, an’i Parish. Vao andro vitsivitsy taorian’ny nanapariahana ny hira, dia efa voarain’ny mpankafy azy ity vokatra ity. Vao mainka hampiakatra ny lazan’ity mpanakanto taizan’i Davalt, ary ao anatin’ny Team Rwikordz ity, ny fivoahan’ny rakitsary. Gadona mifangaro, misy faka malagasy no nitondran’i Parish azy. Vokatra hitondra ny taom-pampisehoana manaraka eo ity ho azy.

Lasan’i Malala ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninana “La Voix de Tanjombato”. Fifaninanan-kira natao ho an’ireo talenta vao, monina eny amin’ny kaominina Tanjombato, izay nifarana ny alahady teo. Nahazo lelavola mitentina 1 tapitrisa Ariary ity tovovavy ity, izay hanampy azy raha hanohy ny lalana eo amin’ny tontolon’ny mozika. Maromaro ireo mpifaninana nandray anjara, ary maro toy izany koa ireo manan-talenta nasongadin’ny fifaninanana.

Partager sur: