Échecs- Mada : Tompondaka i Christiana sy i Zakariasy

Fifaninanana eo amin’ny taranja Échecs efa fanao isan-taona ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy vehivavy sy Vétérans. Tontosa ny faran’ny herinandro teo izany, teny amin’ny CGM Analakely.

Mpifaninana 40 no nandray anjara nandritra izany, ka 22 ny teo amin’ny sokajy vehivavy ary 18 kosa ny teo amin’ny sokajy Vétérans. Nahitana fandraisana anjaran’ny klioba 13 (MCG, CGM, ICA, Mahats’art, Chess King Vakinankaratra, Elite Bongolava, Ankatsuki, ACC, IKM Chess Club, CCT, Kom, Acsa), avy eto Analamanga, Bongolava ary. Nohamafisin’ ny Tale teknika nasionaly avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Échecs, Ram­bolamalalatiana Haka, fa nihena ny mpandray anjara tamin’ity. Mbola vao avy niatrika ny fifaninanana nasionaly farany teo avokoa ny mpandray anjara. Izany no mety antony nampihena ny mpifaninana. Teo amin’ny vokatra, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy, Randriatsife­rana Dimbiharentsoa Chris­tiana, raha toa ka Zakariasy Fanomezana kosa no nisalotra ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy Véterans.

Mandray anjara amin’ny “Mondial”
Ankoatra ny fifaninanana teto an-toerana, manana solontena amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, tanterahina any Almaty, Ka­zakhstan, nanomboka ny 18 septambra hatramin’ny 30 septambra, eo amin’ny sokajy Cadet koa i Madagasikara. Razafindrano Raphaël, eo amin’ny sokajy latsaky ny 10 taona sy Ramorasata Diary Vetsovetson’Anjomara, eo amin’ny sokajy 12 taona, no solontena malagasy amin’izany. Mbola handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy U14, U16 ary U18 ihany koa i Ma­dagasikara, ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albani.

Mi.Raz

Partager sur: