“Muay Thai Tournament 2” : Nahitana teknika avo lenta ny fifaninanana

Tontosa araka ny tokony ho izy, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 2”, nokarakarain’ny klioban’ny Gisl (Grande île sports loisirs). Ady 25 no nitranga ary tena nahitana teknika avo lenta, araka ny nambaran’ny mpikarakara, Maître Razanajatovo Gildas. Nohamafisiny fa hisy fivoarana ny Muay Thai eto Madagasikara, raha misy fifaninanana toy izao matetika. Mbola hisy ny andiany faharoa amin’ity taona ity ho an’ny Muay Thai Tournament, izay hatao any Toamasina, mia­loha ny volana novambra izao. Hiverina eto Antanana­rivo indray aorian’izay ny fifaninanana, ny volana desambra. Zava-baovao no hitranga amin’ity andiany faha-3 eto Antananarivo ity satria hisy vahiny ho avy eto an-toerana. Mpikatroka teratany Maori­siana sy Renioney ireo ho avy hifaninanana eto Madaga­sikara ireo. Amin’ny taona ho avy kosa, mety hisy ny mpikatroka avy amin’ny firenena afrikanina, toa an’i Afrika Atsimo. Tanjona ny hanana mpikatroka manana ny teknika ilaina ho amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Raha hiverenana ny fifaninanana ny alahady lasa teo, ady nandrasan’ny maro ny fifandonana teo amin’i Lova (Gisl) sy i Mélanie, teo amin’ny sokajy -60kg vehivavy, ka resin’i Mélanie, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Lova. Tsiahivina fa nandray anjara tamin’ity andiany faharoa ity ny mpikatroka avy any amin’ny faritra toa ny avy any Betafo, Antsirabe, Bon­golava, Toamasina ary Tsi­roanomandidy.

Mi.Raz

Vokatra “Muay Thai Tournament”
– Vehivavy -51kg: San­dra nandresy (par KO) an’i Manoa
– Lehilahy -51kg: Sté­phano Tsila (Prestige d’Est) nandresy (par point) an’i Niavo
– Teger’s -63,500 kg Angelo (CosPN) nandresy an’i Patrick
– Teger’s -71 kg Loan (Prestige d’Est) nandresy (par KO) an’i Fahendrena (Antsirabe)

Partager sur: