Rugby, sokajy vehivavy: Lasa any Londres i Fenitra kapitenin’ny Makis Ladies

Nahazo fanasana manokana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (World Rugby) hanatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Angletera, ny Malagasy Rugby. Hisolo tena ny Malagasy amin’izany Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby sy i Fenitra, kapitenin’ny Makis Ladies.

Nanainga ny alahady alina lasa teo, nihazo an’i Angleterre, ny delegasionina malagasin’ny taranja rugby, hanatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy vehivavy. Na tsy mandray anjara amin’izany aza ny Malagasy, manana solontena ny Makis Ladies. Nahazo fanasana manokana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (World Rug­by) i Fenitra, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy. Mi­tari­ka ny delegasionina Rako­to­malala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, izy izay hanatrika ny fivoriamben’ny World Rugby. Io no nambarany tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy lasa teo, teny Andohatapenaka. Fantatra, tamin’izany, fa hampirantiana any Angleterre ny tontolon’ny rugby, sokajy vehivavy. Hame­labelatra izany i Herimahefa Andonirina, filohan’ny Vaomie­ran’ny rugby, sokajy vehivavy, sy Rajaona Felana, filohan’ny kaomisionina fitsaboana.
Nohamafisin-dRako­toma­lala Marcel fa re­ha­re­han’ny bao­lina lavalava izany ary sambany no voafidy tao anatin’ireo firenena maro i Madagasikara. “Ny fahombiazan’ny Makis Ladies, teo amin’ny lalaon’olona 7 sy ny an’olona 15, izay samy niatrika dingana ambony tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena, no nahatonga ny rafitra iraisam-pirenena hisafidy manokana ny Malagasy”, hoy izy.
Ankoatra izay, nolazain’ity mpitantana ny Malagasy Rug­by ity fa hanana hetsika goavana ny tontolon’ny baolina lavalava malagasy. Raha tsy misy ny fiovana, homarihina ny 25 sy 26 oktobra ho avy izao ny fankalazana ny faha-125 taona nidiran’ny rugby teto Madagasikara. Maro ireo hetsika hanamarihina izany. Anisany ny lalao goavana hatao, ny fitokanana fotodrafitrasa. Eo koa ny fampirantiana an-tsary ny tantara nolalovan’ny rugby nandritra izay taon-jato iray mahery izay.

Tompondaka

Partager sur: