Fivoriamben’ny ONU : Mitondra ny feon’ny Sadc ny filoha Rajoelina Andry

Tsy misolo tena an’i Madagasikara fotsiny, fa ny firenena mandrafitra ny Sadc, ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Mitondra ny tenin’ny mpikambana mandritra ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Firenena mikambana izy

Hitondra ny feon’i Mada­gasikara ny filoha Rajoe­lina Andry amin’izao fivoriana faha-80 ataon’ny eo anivon’ny Firenena mikam­bana (ONU) any New York, Etazonia, izao. Ny 22 ka ha­tramin’ny 26 septambra izany. Saingy ankoatra izany, ary sambany eo amin’ny tanta­ran’i Madagasikara, hitondra ny feon’ireo firenena 16 mpikambana eo anivon’ny Sadc koa izy amin’ny maha filohan’izany vondrona izany azy. Mankalaza ny faha-80 taona niorenany ny ONU. Lohahe­vitra amin’izany ny hoe “Ma­homby miaraka: 80 taon’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana ary fiaro­vana ny zon’olombelona”.
Amin’ny maha mpitarika ny Sadc azy àry amin’izao fi­vo­riamben’ny ONU izao, mi­antsoroka andraikitra lehibe ny filoha Rajoelina Andry. Eo, ohatra, ny fanamafisana ny feon’ireo ferenena 16 mpikamban’ny vondrona. Ao anatin’izany ny feon’ny firenena afrikanina, indrindra aty amin’ ny tapany atsimo. Miara-dalana amin’izany ny fiarovana ny tombontsoa iraisana izay anisan’ny mampiavaka an’i Afrika, toy ny fananana akora fototra, harena voajanahary eo amin’ny sehatry ny fizahantany… Tsy latsak’izany ny fitondrana vahaolana amin’ ireo fanamby iraisana, izay efa nasian-teny tamin’ny fihao­nana an-tampon’ny Sadc natao teto Madagasikara, ny 28 jolay – 17 aogositra lasa teo. Anisan’izany, ohatra, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny amin’ny fandriampahalemana sy filaminana ary ny fampandrosoana ara-toeka­rena maharitra.
Zava-dehibe izao fivoriambe ao anatin’ny fankalazana ny faha-80 taon’ny ONU izao hiomanana sy hiatrehana ny 80 taona manaraka. Tsy ho an’ny isam-pirenena toa an’i Madagasikara ihany, fa ho an’ny vondrom-paritra toy ny Sadc indrindra ihany koa.

R. Nd.

Partager sur: