Mahavariana sy mampametra-panontaniana ny kajikajy politika misy amin’izao fotoana izao. Nivadika ho adilahin’ny mpitady seza sy ny samy mpitady korontana ny resaka momba ny « leo delestazy sy rano tapaka ». Ao dia mifandramatra sy mitady hifamono an-kitsirano ao, na ny mpomba na ny mpanohitra fitondrana, ao amin’ny tambajotran-tserasera. Angaha tsy hetsika sosialy izy ity?
Raha araka ny Lalàmpanorenana anefa aloha dia mamela malalaka ny olona haneho hevitra sy hiteny izay tiany ho lazaina. Azo atao tsara ihany koa ny manao fitakiana ao anatin’ny filaminana, manaja lalàna, ary tsy manohintohina ny hafa. Raha ny anton’ny fihetsiketsehana rahampitso aloha dia voalaza fa hetsika sosialy. Sintona lakolosy mba hampitsaharana ny jiro sy rano tapaka lava.
Etsy ankilan’izay, tsy hay mazava ny mahataitaitra ny sokajin’olona sasany. Toa mahamahana, may ambondrona tsy amin’antony. Lasa lalaovina hivadika amin’ny fifamonoana sy fifanimbanana fananana ilay hetsika. Ny an’ny sasany aza tonga hatrany amin’ny fifofoana ain’ olona. Misy dia mahavita ny mandrangitra fara-tampony hampisendoatra ny mpiray tanindrazana.
Ny zava-dehibe tokony ho fehezina anatin’izao toe-javamisy ankehitriny izao dia ny fahafahan’ny Malagasy mpiray tanindrazana mifanaja sy mahay miray hina. Na inona na inona zava-miseho, tsy afa-miala ny mpitondra sy ny mpanohitra. Tompon’antoka amin’ny ho filaminana na ho fikorontanana ny mpitarika avy amin’ny andaniny sy ankilany.
Izay no tokony tsy hampijabaka ny vahoaka amin’ny kilalao maloton’ny mpanao politika. Rehefa hatao izay atao dia tokony tsy hihoatra ny zotra sy lalan-tsaina hitondrana ny famoriam-bahoaka. Tsy hisy indray ny hanao volo mpanoha-randrana, handoto ny lamosina mpiaro azy.
r.r.




