fiarahamonina sivily: Tsy tokony hitsara ny Ceni

“Vao haingana izao, misy milaza fa tsy manara-dalàna ny Ceni. Andraikitra fiarahamonina sivily ve no tonga dia mi­tsara hoe tsy manara-dalàna ny Ceni?”. Io ny nambaran’ny kaomiseram-pifidianana eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Mickaël, teny Ala­robia, omaly, manoloana ny fanatanterahana fifidianana loholona amin’ny 11 desambra. Tokony hovakiana aloha ny lalàna vao miresaka any anatina serasera. Manimba toe-tsain’olona ny mitsara avy hatrany. Natao hitaiza sy manabe olom-pirenena ny fiarahamonina sivily. Tokony ho eo ambany lalàna no miresaka. Aleo fantatra tsara ny lalàna, fa izay no arahin’ny Ceni. Misy lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana. Tsy safidin’ny Ceni no hanatanteraka fifidianana loholona, fa ny lalàna no ma­nery azy. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Napetraky ny Ceni ny tsy maintsy hanatanterahana fifidianana, araka ny lalàna.
Manara-maso ny asan’ny fanjakana no andraikitry ny fiarahamonina sivily. Raha misy tsy fanarahan-dalàna, mampahalala azy fa misy tsy voahaja. Izany tsy midika hoe tonga dia mitsara fa tsy ara-dalàna io fifidianana io. Tsy izay no asan’ny fiarahamonina sivily, fa manampy ny mpitondra fanjakana aza: inona ny azo ifanampiana? Tanjona ny hampandroso ny firenena, fa tsy hisarika ny olom-pirenena amina fiteny politika. Tsy natao hitsikera hatrany ny fiarahamonina sivily, fa natao hitondra sosokevitra. “Indraindray, tsy haintsika fiarahamonina sivily ny mametraka ny toerantsika”, hoy izy. Efa voiziny hatrany izay amin’ny maha solontenan’ny fiarahamonina sivily azy eo anivon’ny Ceni.

R. Nd.

Partager sur: