Handao tanteraka ny tontolo politika ny filoham-boninahitra sady mpanorina ny antoko Asa vita no ifampitsarana (Avi), Ratsirahonana Norbert Lala, ary hamindra ny toerany amin’ny mpikambana amin’ny kongresy nasionaly. Efa filohan’ny HCC teo aloha izy, filoham-panjakana mpisolo toerana ary efa nirotsa-kofidina filohan’ny Repoblika ihany koa.
“Vao nahazo Fahaleovantena i Madagasikara dia niditra ho mpikamban’ny ONU”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tany NewYork, Etazonia, afakomaly, tamin’ ny fankalazana ny faha-80 taon’ny ONU. Noho ny fahatsapana fa maro ireo fanamby, indrindra ireo tombontsoa azo sitrahin’ny vahoaka malagasy amin’ izany.
Napetraka amin’ny toerany ao amin’ny
fitsarana ambaratonga vaolohany Manakara, afakomaly, ny tonia mpampanoa lalàna, i Lovasoa Jeanne d’Arc. Nohamasifiny ny fanohanany ny politikan’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ ny kolikoly. Eo koa ny fiarovana ny zo sivily sy ny fanamafisana ny fahatokisan’ny vahoaka ny rafi-
pitsarana.




