Diamar : Manameloka ny fampisaraham-bazana ny samy Malagasy

Manoloana ny raharaham-pirenena amin’ izao fotoana, namoaka fanambarana iombonana ireo fikambanana, antoko politika, olom-pirenena tsora sy ireo Malagasy mila ravinahitra any Eoropa mivondron ao amin’ny Diamar, omaly, tany Paris. Voalazan’izy ireo amin’izany fa tsy fitakiana tsotra momba ny fahatapahan-jiro sy rano no voizina’ny mpanohitra amin’ izao fa fikasana hanozongozona fanjakana sy ny andrimpanjakana mijoro ara-dalàna. Araka ny ambarany ao anaty fanambarana, nirona man­kany amin’ny fampiadiana ny samy Malagasy ny tanjon’ireo mpanao politika tsy mankasitraka ny fitondrana. Eo koa ny filazany fa tsy mahafehy ny fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera ny sasany ka lasa mihantsy ady sy mampirisika ho any amin’ny fanapotehana ny tanindrazana.
Manoloana izany, mampirisika ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, hatrany amin’ ny fametrahana vahaolana maharitra amin’ny filan’ny vahoaka ny Diamar. Mano­hana azy ihany koa amin’ny paikady ho fampandrosoana ny firenena. Melohin’izy ireo ny fikasan’ny mpanao politika sasany hanao hetsika izay tsy mifanaraka amin’ny soatoa­vina malagasy sy ny sata repoblikanina. Manentana ny va­hoaka malagasy izy ireo, araka izany, mba hahay handanjalanja ny teny avoaka anaty tambajotran-tserasera. Mba tsy handairan’ny tsaho iniana aely hanakorontanana fiarahamonina ihany koa. Ny fitoniana amin’ny endriny re­hetra sy ny filaminana no ahitana va­haolana maharitra, hoy ihany ny fanambaran’ny Dia­mar. Izay ihany no vahaolana maharitra hiadiana amin’ny fahantrana sy hirosoana any amin’ny fampandrosoana ny firenena, araka ny nambaran’ izy ireo.

Randria

Partager sur: