Fantatra teo amin’ny tontolon’ny filatroana sy ny famoronan-damaody i Mandresy Razafindrakoto na Raman. Nodimandry ny talata teo, rehefa avy nolazoin’ny aretina nandritra ny taona maro izy, araka ny nampitain’ny fianakaviany. Mpilatro nanomboka ny taona 1995, ary anisan’ireo voalohandohany nitondra fivoarana ho an’ity sehatra ity Raman. Izy rahateo no voafidy ho mpilatro mendrika indrindra nandritra ny « Manja Festival 1996 », hetsika namaky lay ny tontolon’ny haihaingo sy lamaody ary filatroana teto Madagasikara. Saika nampisalotra ny sanganasan-dRaman avokoa ireo mpamoron-damaody fanta-daza. Andrin’ny Agence Totem ihany koa izy, ary nandray anjara tamin’ny fikarakarana ny hetsika « Elita Model Look », «Kamou » tany La Réunion, sns.
Nanomboka namorona ary nampisalotra ny sanganasany Raman koa izy ny taona 2002. Nampiakanjo ireo mpanakanto malaza toa an-dry Tovo J’Hay, AmbondronA, sns. Izy no tompon-kevitra tamin’ny « Beautiful People », izay efa nentina tany ivelany koa.
Zo ny Aina




