Tsy ho an’Antananarivo ihany. Hivelatra ho an’ny mponina eny Bemasoandro ny « Festival An’Tsary Doc Mada », andiany fahatelo, izay hanomboka rahampitso. Hatokana ho an’ny horonantsary fanadihadiana, izay foronina kanefa mifototra amin’ny lohahevitra misy sy iainana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Nampahafantarin’ny mpikarakara, omaly, ny andinindininy momba izany, tetsy amin’ny IFM Analakely. Fantatra fa ao amin’ity ivokolo ity no halefa ny ankamaroan’ireo vokatra ireo.
« Hoentina hivoaka ny renivohitra, mba ho fantatry ny rehetra, ny karazana horonantsary misy. Nosafidiana i Bemasoandro amin’ity, hanehoana ireo karazany, sy ny teknolojia ampiasaina ary hatao ankalamanjana izany. Hisy atrikasa koa hampianatra na ireo tanora liana amin’ny fanoratana sy fanatontoloana horonantsary mandritra izany », hoy ny nambaran’ny mpikarakara.
Horonantsary 24 nosafidiana hifaninanana amin’ity. 13 horonantsary fohy, 8 horonantsary lava, 4 amin’ireo ny sangasana malagasy. Eo koa ny tsy anaty fifaninanana, toa ny « Il était une fois », an’i Nantenaina Lova.
« Horonantsary tsara, mendrika, tafiditra anatin’ny lohahevitra miresaka ny olombelona, ny tontolo iainana, ny tadidy, sns. » Ireo no masontsivana nisafidianana ireo horonantsary, raha ny nambaran’ny mpikarakara hatrany.
Zo ny Aina




