Governora Rasoamaromaka Hery: « Tsy mila korontana intsony i Madagasikara »

Nambaran’ny governora an’Analamanga, Rasoama­romaka Hery, tetsy Ambo­hidahy, omaly, fa tsy mendrika ny hasiana korontana in­tsony eto Madagasikara. Nohamafisiny hatrany fa tsy mety ho an’ny Malagasy in­tsony izany, indrindra ny resaka fanimbana fananan’olona. «Manoloana ireny resaka anaty tambajotran-tserasera ireny, amiko manokana dia tsy mety amintsika intsony ny manimba fananan’olona iza­ny», hoy ny governora.
Miantso ny vahoaka ho tony izy, ary raha ny filazany dia tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Efa hita amin’
izao fotoana izao fa efa ma­nao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana, mitady va­haolana amin’io raharaha io.
Manentana ny vahoaka kosa ity mpandrindra ny faritra Analamanga ity, mba tsy hanaiky ho rangitin’ny olona amin’ny zava-misy tahaka izao, ary tsy hanaiky hatao fitaovana politika.
Nomarihin-dRasoama­romaka Hery fa ny fifampiresahana hatao tsy midika hoe fiaraha-mitantana. « Tsy fiaraha-mitantana ny dikan’ny hoe andao hiresaka fa hoe :aleo mifanakalo hevitra entina miala amin’ilay olana, ary hitady vahaolana.» hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, miantso ny tomponandraikitra voakasika amin’ity raharaha jiro sy rano ity ny governora an’Ana­lamanga, mba handray an­draikitra sy fepetra entitra ho an’ireo olona tsy manatanteraka ny baiko.

F.R

Partager sur: