Niakatra teo amin’ny pilopitran’ny Firenena mikambana (ONU) any New York ny filoha Rajoelina Andry, nandaha-teny, aninkeheo tamin’ny 2 ora maraina. Nambarany tamin’izany ny antso avo sy ny fametrahana filaminana maneran-tany.
«Tsy vahaolana ny fizarazarana ary tsy mitondra fitoniana ny fifandonana », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Lahateniny mavesa-danja manoloana ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta, an-jatony maneran-tany no nataony. Tsy ny momba an’i Madagasikara ihany fa eo koa i Afrika sy ireo firenen’ny Sadc. Anisan’izany ny lohahevitr’ity fivoriambe faha-80 eo anivon’ny ONU ity, ka niantsoany ny fandriampahalemana maneran-tany sy ny fampitsaharana ireo ady. « Mitondra fahafatesana sy korontana ny ady ary mandripaka. Eo koa ny ady amin’ny valanaretina ankoatra ny ady mangina. Mampahantra sy manimba fiainan’olona amana hetsiny maro izany ankoatra ny ady ara-toekarena », hoy izy. Notsindriny ny momba ny tsenan’ny Agoa ka nanaovany antso avo mba hiarovana izany. « Maherin’ny 368 000 ireo asa mivantana tandindomin-doza any Afrika raha mijanona io tsena io. Firenena miisa 14 amin’ireo 16 eo anivon’ny Sadc no mahazo tombontsoa amin’izany », hoy izy. Nanteriny fa maherin’ny 11 miliara dolara isan-taona ireo entana aondrana any Etazonia amin’ny alalan’io tsena io. Misy fiantraikany lehibe ny ho fijanonan’ny Agoa, araka ny nambarany. « Mamelona fianakaviana an’ arivony maro izany. Hiaro ny tombontsoan’ny Sadc amin’ny maha filohan’izany sy ho an’ny vahoaka malagasy izahay », hoy ihany izy.
Havadika ho asa ireo kabary
Niantso fiaraha-mientana iraisam-pirenena koa ny filoha ary niantso fifanohanana bebe kokoa sy ny famatsiam-bola betsaka kokoa. Anisan’izany ny ady amin’ny fahantrana, ny tsy fanjarian-tsakafo sy fahavitan-tena amin’izany. Eo koa ny fanohanana ny varotra sy fifanakalozana eto anivon’ny ranomasimbe Indianina (COI).
Momba ny fiovan’ny toetr’andro kosa, nambarany fa mizaka ny voka-dratsin’izany isika, nefa firenena tsy mandoto tontolo iainana. Notakiny ny fandraisana andraikitra sy famadihana ho asa ireo kabary iraisam-pirenena. « Te ho maodely amin’ny fiovam-penitra mankany amin’ny angovo maitso izahay. Afaka miova, mivoatra sy mandroso ary mandray anjara amin’ny fanatsarana ny tontolo iombonana ny firenena marefo», hoy izy.
Synèse R.




