Nanao fanambarana fohy ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly alina. Nambarany fa noraisina ny fepetra manoloana ny zava-nitranga tamin’ny « Hetsika 25 septambra- Leo delestazy ».
«Noraisina ny fepetra araka ny tapaky ny fivorian’ny OMC fa tsy azo atao ny mivezivezy eto Antananarivo sy ny manodidina, manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 5 ora maraina, », hoy izy. Natao izany fandraisana andraikitra izany mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany manoloana ny zava-misy fitakiana zo fototra ho an’ny jiro sy rano ka nisehoan’ny fananaraotana, nanimba zavatra sy ny fandrobana, araka ny fanambarany hatrany.
Tsy naneho hevitra ny momba ny tranga niseho rehetra na nitatitra ny vokatr’ izany ny Prefet an’Antananarivo, omaly, sy ny amin’ny fepetra horaisina momba ny hiatrehana ny anio.
Ankoatra izany, nanao fanambarana fohy, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao koa ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, KMF/ Cnoe. Notsindrin’izy ireo fa zo tanteraka ny maneho hevitra ary aina ny rano. « Miantoka fiveloman’olom-pirenena maro ny herinaratra. Ilaina, araka izany, ny fifampiresahana an-kitsipo. Aoka isika hifampihaino », hoy ny fanambaran’ izy ireo, omaly.
Mbola nisafidy ny hangina ireo mpanao politika
Etsy andaniny, tsy mbola nisy naneho hevitra na nanao fanambarana ny ankamaroan’ ireo mpanao politika hatramin’ny halina. Ny avy amin’ny fanoherana no tazana teny Ambohijatovo sy ny toerana samihafa ny tolakandro, nahitana ireo solombavambahoaka maromaro eo anivon’ny Firaisankina. Mandritra izany, ao anatin’ny fivoriana ny eo anivon’ny Foloalindahy, hatramin’ny halina, saingy tsy mbola nanao fanambarana, manoloana ny toe-draharaha niseho tamin’iny hetsika “Leo delestazy », omaly tontolo andro sy ny alina iny.
Synèse R.




