Nirehitra indray ny tanàna omaly. Mitomany sy mitanondrika indray i Madagasikara. Fitakiana amim-pilaminana, noheverina fa handamina no nivadika. Fifamonoana sy fandrobana no niafarany, halina. Nanao izay danin’ny kibony indray ny olona marobe. Nanararaotra ny andro alina sy ny fialan’ny mpitandro filaminana. Asa fa dia nampiseho fa tena noana sy mitady izay ho sarangotana.
Mifono zava-dalina ny hetsika, na ny tapany maraina, na ny tapany hariva. Ny maraina niompana tamin’ny resa-pahalalahana sy fitakiana madio. Ny alina nivadika ho fandrobana sy fandorana tanàna. Tena tsy nisy ifandraisany na dia nifampitohy azy. Nivadika ho fifampiangana sy ho fifanilahana andraikitra aza izany.
Tsy hay mazava intsony ny tena marina. Lalaovin’ny mpahay azy ny fikirakirana vaovao. Misamboaravoara ny toe-draharaha. Mifamahofaho ny vaovao. Ny fitondram-panjakana, indrindra ny mpanatanteraka, mangina tsy misy handrenesam-peo. Ny lehiben’ny prefektiora hatrany aloha no mibaby ny zava-drehetra. Izy no misolovaika ny an-kalana amin’izay miseho rehetra.
Ny mpanao politika bevava, tsy hita intsony ny misy azy ireo. Raha ny mpanohana ny Filohan’ny Repoblika am-perinasa. Ireo mpandrangitra sy mpandrehitra afo, nanjavona tsikelikely. Misy aza no voalaza fa efa nadio ny rano nitany. Sakaizan’ny mpandresy ny ankamaroany. Mivadi-belirano tsotra izao rehefa samy baikoan’ny fitiavan-tenany.
Ny mpanao fihetsiketsehana dia niatrana hatramin’ny alina. Ny tanora no namonjy fodiana, fa misy ireo nanao andrimaso isam-pokontany. Ny vahoaka samy vahoaka no nifampiaro tamin’ny endri-pandrobana sy fandorana tanàna. Tsy hita popoka ny mpitandro filaminana maro be izay nandrava ny mpanao fihetsiketsehana.
Manoloana ny zava-nitranga, omaly, mitaky fitoniana ny toe-javamisy. Mila mahay mandrindra ny hetsika ny mpidina an-dalambe.
r.r.




