Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Tsy mitondra afa-tsy fahantrana ny korontana”

“Efa nataontsika ny nandoro tanànan’olona sy fananam-panjakana, efa nataontsika ny nanongam-panjakana tamin’ny alalan’ny miaramila… Fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy fahantrana ho an’ny firenentsika.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voa­fidy tao Miarinarivo tamin’ny anaran’ny Irmar, Rakotondra­soa Fetra, afakomaly, talo­han’ny toe-draharaha, omaly. Tsy miaro an’ireo tomponandraiki-panjakana mihoa-pefy sy tsy manao ny asany izy. Tokony handray andraikitra tandrify azy ny rehetra mba hanesorana sy hamaizana an’ ireny olona ireny. Ny fisiana korontana sy fifamonoana eto amin’ny tanindrazantsika dia tsy misy hanana tombontsoa amin’izany. Raha sanatria misy fikorontanana sy fivoa­hana amin’ny lalàmpanorenana indray, eto isika farafahakeliny folo taona manarina an’izay volana vitsivitsy ha­naovana an’izany.
Mahasorena ny rehetra ny fahatapahan’ny herinaratra. Hita ihany hoe taraiky ireo tomponandraikitra amin’ny famahana izany olana izany. Be dia be ny vahaolana resahina, fa vao mainka mikiky ary hita hoe mihamafy ilay toe-javatra. Izay no itenenany hatrany amin’ny solombavambahoaka azy hoe: betsaka ny ao anatin’ny governemanta no manafana ny sezany fotsiny. Eo ny manao serasera, fa ny tena famahana ny vontoatin’ ny fototry ny olana any amin’ ny vahoaka zary hita ho miadana. Izay no mahatonga ny fahasorenana. “Manontany tena ny olona hoe: mbola misy mpitondra hamaha olana ve sa fampatoriana vahoaka no misy eto Madagasikara?”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: