Valiha Académie – Boky : Hivoaka alohan’ny faran’ny taona ny « Valihan’Ikaky II »

30 taona katroka tamin’ity taona ity no niorenan’ny Zanabaliha izay nipoiran’ny Valiha Académie. Anisan’ny fanamby lehibe ho an’ireo nanorina ny hamoaka an-tsoratra ny voka-pikarohana.

Volana jona 2025, nivoaka ny boky « Valihan’ Ikaky I”. Fantatra, omaly, fa alohan’ny faran’ity taona ity, hi­voaka ny laharana faharoa na ny boky « Valihan’Ikaky II”. Tafiditra ao anatiny hatrany ny fampianarana momba ny tontolon’ny valiha sy ny fiarahamonina malagasy. Voatazona ihany koa ny fanamby napetraky ny mpampianatra mpi­karoka eo anivon’ny Valiha Académie izay nanoratra ny « Valihan’Ikaky II”. Nosora­tana amin’ny tenim-pirenena telo (malagasy, anglisy ary frantsay) ny boky.
Hanohy sy hanatevina ireo voarakitry ny boky voalohany ity boky faharoa ity ka hiditra lalindalina kokoa amin’ireo lohahevitra sy lesona ary fampiasana rehetra ao anatiny. Nomarihin’ireo mpikaroka eo anivon’ny Valiha Académie fa « mifampitohy ny boky voalohany sy faharoa. Na izany aza, ezahina ny namintina izay voalazan’ny boky voalohany ka nampidirina ao ana­tin’ny boky faharoa ».
Ankoatra ny lesona momba ny solfezy sy ny fitendrena valiha. Natsidiky ny mpanoratra ao anatin’ity boky faharoa ity ihany koa ireo tsara ho fantatra amin’ny tokony hatao ho fanomezan-kasina sy lanja
ny valiha sy ny mpitendry azy. Iray amin’ireny ny fampa­hafantarana ireo fady mila hajaina.
… Raha ny vina napetraky ny Valiha Académie sy ireo mpikaroka ao aminy, hisy ny famoahana boky 7 ny Vali­han’Ikaky. 12 kosa ny fitambarany, noho ny fisian’ireo boky 5 hafa. Momba ny tontolon’ny valiha ihany ny voarakitr’ireo boky 5 ireo, fa somary mivelatra kokoa amina fikarohana, amin’ny maha zavamaneno ny valiha ny voarakitra ao ana­tiny, raha ny fanazavan’ireo mpanoratra. Tsy mbola nofaritan-dry zareo kosa, anefa, ny fotoana hivoahan’ireo boky 5 hafa ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: