Mitohy hatrany ireo karazana fiofanana omen’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Rahampitso 27 septambra, manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva, hanazava sy hampiofana momba ny lohahevitra « Fomba fiatrehana olana » ny filoha mpanampy eo anivon’ny foibe Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany, Razanamasy Tsikitsiky. Tafiditra ao anatin’ny fanatevenam-pahalalana hahafahana miatrika ny « Zaikabe 2026 » ity fampiofanana tselatra ity. Na izany aza, efa anisan’ ny imasoan’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany tao anatin’ny taona maro ny hisian’ny fiofanana mifandraika hatrany amin’ny filan’ny vanim-potoana.
Marihina fa amin’ny alalan’ny tambajontran-tserasera toy ny « zoom » sy ny « facebook » no hampitana izany mivantana. Sehatrasa maro no mifandimby manampy ny tsirairay amina fiofanana tahaka izao. Mifototra hatrany amin’ny fahendrena sy ny soatoavina malagasy izy ireny. Omena laka hatrany ihany koa ny teny malagasy ka tafiditra ao anatin’ izany ny kabary izay fomba nampitan-kafatra rahateo, fahiny.
HaRy Razafindrakoto




